Jean Verdi Salomon Razakandraina, dit DOX (1913-1978) poète, dramaturge, peintre, compositeur et musicien malagasy

Témoignage de Ramy Laza, poète écrivain membre de l'HAVATSA-UPEM Section de France

02/11/2013 13:21

RAMY LAZA, poeta mpikambana ao amin’ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa.

Ny nandrenesako ny momba an’i Dox voalohany dia tao Antsahamanitra. Ny fotoana tsy tsaroako intsony fa nolalaovina tao Antsahamanitra ny tantara nosoratany mitondra ny lohateny hoe Amina Batsola.

Manaraka izany dia isan’ny nankafy tokoa ny hira noforonon’i Fredy Raolifahanana aho. Tany am-boalohany tsy nahafantatra mihitsy hoe ny tononkalon’i Dox no nasiany feony. Hay tsy ny feon’ny hira ihany no nanesika ahy ho tia fa tao koa ny tonony izay nifandrindra tamin’ny eritreritro.

Fony izaho mpianatra tao amin’ny Kolejy Rasalama dia tsy vitsy ny tononkalon’i Dox izay nasain’ny Pasteur Andriamanjato, mpampianatra teny malagasy anay, nianarana tsianjery. Tao « Ny varavarankelinao », ny « Paiso », « Ny zakarandahy », « Atataovy » sns… Tamin’izany tsaroana ho fahoriana ery ny nianatra azy.

Hatreto dia tsy dia fantatro tanteraka i Dox. Fantatro ihany rehefa mandalo teo amin’ny Lycée Gallieni izy sy i Fredy fony izaho mpianatra tao amin’ny Lycée Gallieni. Indraindray aza moa nataonay ho fandrabiraby izy roalahy rehefa mandalo. 

Fa fony izaho mpianatra tao amin’ny Lycée Gallieni noho izahay nipetraka teny Ambohimanarina dia niresaka tamin’ny tompon’andraikitray tao amin’ny Sekolin-jazavavy tao Ambodin’Andohalo ny ray aman-dreniko ny mba hijanonako misakafo antoandro tao fa nisy demi-pensionnaire tao. Ary tao no tena nahafantarako an’i Dox. Rehefa tsy tafakatra any amin’ny la Haute ville izy dia mijanona misakafo ao.

Indray mandeha nasaina niantso azy hisakafo aho. Tao amin’ny biraon’ny Tale izy no nipetraka stylo no teny an-tanany, taratasy no teo anoloany ary ny classique an’i Pierre Corneille no misokatra tsy lavitra azy. Izaho moa niteny hoe : « manasa anao hisakafo tompoko ». « Andraso aloha », hoy izy « fa mbola tena ao anatin’ny aingam-panahy aho ». Tsy sahy niteny intsony aho fa nipirimpirina mba tsy hanelingelina azy. Toa tsy mandika ilay boky fa toa azy mihitsy ny zavatra nosoratany. Asa na efa nilona nandritry ny alina an’io tantara io izy fa toa mandeha toy ny rano ny soratra nataony. Rehefa afa-po tamin’ny nosoratany izy dia hoy izy miantso ahy : «  Amin’ise ve mandeha izao ? ». Dia namaky andalana vitsivitsy izy. Ny tadidiko dia ny tenin’i Chimène tamin’i Rodrigue manao hoe :

 

« Marina, eny, Rodrigue na nandrafy anao aza aho

Izaho haniny ny avotr’haja vitanao ho tsy sahaza …. »

 

Betsaka no mbola novakiany fa ireo no tadidiko. Tsy nahateny aho, fa nanaiky tamin’ny lohako fotsiny. Efa nianatra ny Le Cid an’i Corneille aho tany amin’ny College Rasalama ary heveriko fa tena mahadika tanteraka izay voasoratra tao amin’ny bokin’i Corneille izay novakiany.

Nanomboka teo dia niova ny fahitako an’i Dox. Mbola mandalo teo amin’ny Lycée tahaka ny taloha ihany izy sy Fredy, fa maso hafa no nijereko azy. Masom-paniriana, masom-pitsiriritana aza angamba. Novidiko daholo ireo bokin’i Dox ary tamin’izay fotoana izay dia ny Telomiova no teny amin’ny mpivarotra dia io no novidiana. Tsaroana teto daholo ireo tononkalo nasain’i Pasteur Andriamanjato nianarana tsianjery. Ary dia mba nanomboka nanoratra tononkalo, ka natao sonnet toa ny fomba fanoratr’i Dox. Nefa moa tsy azo terena ho masaka tahaka ny voalobo-jaza izy io koa ny aingam-panahy no nitondra azy taty aoriana.

Farany fony izahay teny amin’ny Kolejy Ivato dia nalain’ny mpianatra nanao valan-dresaka i Dox. Ary nandritra izany fotoana izany dia niverina indray ny fahatsiarovana ny nanoratany an’i Le Cid. Tsy tadidiny aho nefa kosa tsy ho hadinoiko ilay fotoana nahitako azy nanoratra.

Ramy Laza

 

    

Traduction du témoignage de RAMY LAZA, poète membre de l’Union des Poètes et Ecrivains Malgaches Section de France, HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa.

La première fois où j’ai entendu parler de DOX, c’était à Antsahamanitra. Je ne me souviens plus quand était-ce exactement, mais c’était lors d’une des représentations de sa pièce théâtrale historique Amina Batsola.

D’autre part, je suis un des mélomanes qui apprécient les chansons du compositeur Fredy Raolifahanana. Au début, je ne savais pas du tout qu’il composait sur des textes de Dox. En fait, ce n’était pas uniquement la mélodie mais aussi les paroles qui coïncidaient avec mes pensées, qui me faisaient aimer ces chansons.

Quand j’étais étudiant au Collège Rasalama, notre prof de malagasy, le Pasteur Andriamanjato, nous demandait d’apprendre par cœur bon nombre des œuvres de Dox. Comme « Ny varavarankelinao », ta fenêtre, « Paiso » le pêcher, « Ny zakarandahy » le jacaranda, « Atataovy », aidez-moi à porter mon jarre sur la tête, etc… A l’époque nous en souffrions, et considérions cela comme une véritable contrainte.

Jusque là, je ne connaissais pas encore bien Dox. Si, je le reconnaissais quand il passe avec son ami Fred devant le Lycée Gallieni quand j’y étudiais. Parfois, nous les lycéens nous amusions à les interpeller pour rien dans la rue. 

Mais quand j’étais étudiant au Lycée Gallieni, comme j’habitais à Ambohimanarina, mes parents se sont arrangés avec les responsables pour que je puisse être demi-pensionnaire à l’Ecole des Filles à Ambodinandohalo, j’y déjeunais donc les jours de classe. Et c’est là que j’ai connu Dox, lorsqu’il n’arrivait pas à monter sur La Haute Ville, il restait manger là.

Un jour, on m’a demandé d’aller le chercher pour lui annoncer que le déjeuner est prêt. Il était assis dans le bureau du Directeur, un stylo à la main, une feuille de papier posée devant lui sur la table avec le classique de Corneille ouvert pas très loin de lui. Je disais : « Le repas est servi, Monsieur, vous êtes invité à venir manger ». « Attends un peu », m’a-t-il dit, « je suis en pleine inspiration ». Je n’ai plus osé parler, je me rangeais pour ne pas le déranger. Il me semblait en le voyant écrire qu’il n’était pas en train de traduire un livre, mais d’écrire le sien. Je ne sais pas s’il a déjà étudié la pièce toute la nuit, mais son écriture courait comme un ruisselet d’eau sur le papier. Quand il s’est arrêté semblant satisfait de ce qu’il a écrit, il me demanda : « D’après toi est-ce que ça colle ? » et il commençait à lire quelques vers. Je me souviens des paroles de Chimène à  Rodrigue, disant :

 

« Marina, eny, Rodrigue na nandrafy anao aza aho

Izaho haniny ny avotr’haja vitanao ho tsy sahaza …. »

 

Il a lu plein d’autres passages, mais voilà le seul dont je me souvienne. Je n’ai pas pu parler, j’ai juste hoché la tête pour accepter. J’ai déjà étudié Le Cid de Corneille au Collège Rasalama, et je pense que ce qu’il m’a lu traduit complètement le passage du livre de Corneille.

Depuis cet évènement, ma vision de Dox a changé. Lui et Fred continuaient à passer devant le Lycée comme d’habitude, mais je le percevais alors avec un tout autre regard. Des yeux pleins d’envie, peut-être de souhait d’être comme lui ? Je me suis mis à acheter tous les livres de Dox et à l’époque c’était Telomiova qui était en vente chez les libraires, je l’ai donc acheté.

Je me suis alors souvenu de tous les poèmes que le Pasteur Andriamanjato nous demandait d’apprendre par coeur. Et j’ai commencé à composer des poèmes, des sonnets comme les poèmes de Dox. Mais comme on ne peut pas forcer l’inspiration contrairement aux raisins d’enfants que l’on force à murir (proverbe malgache), c’est l’inspiration qui conduisait le reste.

Enfin, quand j’étais au Collège d’Ivato, Dox a été invité par les étudiants pour faire une conférence, mes souvenirs de son écriture de la traduction de Le Cid, Ilay Andrianina, me sont revenus. Il ne s’est pas souvenu de moi, mais moi, je n’oublierai jamais ce moment où je l’ai vu écrire en pleine inspiration.

Ramy Laza