"LE POETE DU PARFAIT - PERFECT POET"
Ity misy tononkalo atolotro ho an'i Dadabeko
DOX
RAZAKANDRAINAamin'izao faha-90 taonan'ny nahaterahany izao.
POETIN'NY TANTERAKA
Misy ny maha-te hihaino
Misy ny vakian-ko vita
Ao ny raiso, ao ny saino,
Nofinofin’ny tsy hita
Fa ny rakitra ao anaty
Mampivezivezy tsiky
Dia tsy hain’iza haranty
Afa-tsy poety vitsy
Ka dia roy iray zaraina…
Ny iainanao lazainy
Fa izay lazainy koa toa iainanao ihany
Ka moa dia tsy haminany
Izay takatry ny sainy,
Rehefa injay ka mandia ireny haingany fanahy ?
Ny anoky ny fo mitia
Ny eritreritra tomany
Saina repo-tsiasia…
Sompatsompatry ny tany;
Ny fo miboika, te-hioitra
Tsy te ho azon-tsesintany,
Tolona mipololotra…
Nofinofy sy vinany
Afa-tsy poety vitsy
Tsy mahaseho tsy ankitsitsy
Ny Aina iraisantsika velona amin’ny vahin’ny
fanahy.
Ao anatiny rantovy
Dia takaro koa ny zovy…
Fa na olona tsy niaina dia hahita ao izany
Amiko, azo lazaina
F'i DOX RAZAKANDRAINA
Dia poetin’ny tanteraka,
Ao ny tsirairay no teraka !
Hanitr’Ony,
Petite fille de Dox,
Paris, 29/01/03