Atolotro an'i DOX
TONON-KIRA ?...
Toera-manodoaka tany ilay omaly
nandretsidretsika hira
ary niangaly
andalan-kanto avy aiza ? toa teraky ny lalina
feo nanirakira
nanaitra vetsovetso hihiaka an-tsasak'alina
tsy renoky ny tory
antily tena malina
mpiambim-bohitra aiza ? ny faritry ny taona
voarentin-tsorisory
toa ravaky ny tsiky imolotry ny saona....
Andalan-tononkira feno misitery
toa sitri-bolamena
an-dalina tsy very
zahana k'aiza ho aiza ? tsy fantatra kanefa
inoana sy ekena
fa any an-tsarotra any rahoviana no hiantefa
any ka hitony
ny eritro milefa
manadihady foana vetso manodoka
toa taratra mamony
enjehina kanefa mandosi-tsy misoka.
Mandra-pahoviana r'izany foko izany
ny fisasaranao
tsy viza-manontany
tsy mety veri-dia inona aiza ny idealy
raha izao tontolo izao
no saritsari-nofy ankosoka molaly
manditsoka fijery
iza no hamaly
ny aina tsy mitony ka mampiloatra anaty
ary toa manery
hisinda ankoatrahoatra ny nofoko tsy maty.
F-X MAHAH, Président Havatsa-U.P.E.M. France