FO MIHIRA
Ny feon-kira tsara indrindra
Te hihaino azy ianao ?
Henoy izy fa hirindra
Ao anatin’ny fonao.
Ao anatin’ny fonao
Tia ka mamelovelo,
Ao anatin’ny fonao
Mahatsiahy ka malahelo,
Ao anatin’ny fonao
Manina ny taninao…
Nilaozanao an-dakira!...
Fa ao anatin’ny fonao
N’inon’ino’ ho sentonao
Moa va tsy misy hira?...
DOX
ZAKARANDAHY
Mandrobona lasan-ko felany,
Mivolona vonim-boahirana…
Tsy hanitra, tsy aloka avelany,
Kanefa sariaka sy mirana!
Somparan’ny rivo-miserana
Ka vony no ararany mora
Ho solon’ny aloka itoerana,
Volomparasy tanora…
Arara-ny rivo-miserana,
Tsy hafa fa oram-pitserana
‘Reo felana meva mihintsana!
Felana mendrika oroka…
Kinanjo mpanao soamaroroka
No indreo manapoaka…Ry Vintana!
DOX
Folihala.
HANITRA…
Manitra ny lohataona
avy tany an-tsaha ianao !
Ny voninkazon’ny havoana
amboloiko aminao…
Ao aminao avy
na ny hani-boasary
na ny hanitr’aviavy !
Lohataona miharihary…
Ny hanitry ny veromanga
sy ny hanitry ny ampanga
samy aminao avy…
Manimbolo anao aho…
Te-hitondra sampaho
aminao, ry zazavavy !
DOX
Folihala.
ENDRIKA…
Izato singam-bolo
mandadina, olioly !
Tarehy voakolokolo
toy ny tanimboly…
Ny molotra homehy,
ny nify toy ny voahangy
mamelana, endrey !
Sariaka sa misangy ?
Hay tsy vosobosotra ?
Mahery noho ny ankosotra
tokoa ny singam-bolo…
Na dia izay aza,
tsy menatra aho milaza :
Vintan’ny hanimbolo !
DOX
Folihala. Tak. 35
ANDRIAM-BAVIN’NY FITIA !
Mielo vola, mihaingo voahangy,
midola mora toa hisangy
amin’izato tarijoro
sy famindra noronoro…
Tovovavy malagasy,
tasitasy, kasikasy…
loza raha hiangolangola,
nefa mahay mananjola…
Manadala ny vahiny.
Aza mbola itsikiany
fa tsy maintsy mitamberina…
Ny tovovavinao iky
Andriambavin’ny Fitia…
Sa tsy izany va, ry Imerina?
DOX
Fandrosoam-Baovao, 29.6.38
Dindona Fitia Tk. 36
AZON-JAVATRA…
Moa ve tsy azon-javatra
ny maniry ny tsy hita
ka mitady hiampita
hahita izay tonga lafatra?
Moa azo ambara ho manina
fa ny manina voafady
ny fo adalan’ny mitady
an’izay hampianina?
Iza no tsy mahalala
fa ny tia dia adala?
Raha tsy adala dia tsy tia…
Izany no mahazo ahy
amin’ny saina, fo, fanahy!
Azon-javatra aho ity!
DOX
Dindona Fitia