NY HIRAKO
N’inon’inona ho androko
Na finaritra aho na ory
Na ao na tsy ao ny masoandroko
Ny hirako tsy hiato akory
Angamba aza ho alaina amiko
Ny mety ho ahy rehetra rehetra
Ny tiako ny hariko, ny taniko,
Ny hirako tsy maintsy hitoetra
Tsy tò angamba izay kinasa
Ny fahatanorana ho lasa
Ny fahanterana hanjokaiky
Ny fahafatesana hanakaiky
Ny sakaiza mety handao
Hihira aho, lazaiko anao !
DOX, "Ny Hirako"
Feony: Ramaroson Wilson
Tonony: Dox
AO...
Ao ny lanitra tomaratra
Nefa mbola tiako taratra
Ny masonao mijery ahy
Anoloranao fanahy
Ny felana rehetra, ao
Ny tsiky eo imolotrao
anoloranao fanahy
mbola firavoana ho ahy
Ny voninkazo rehetra ao
nefa dia ny tenanao
anie no fanapera-mamiko
Tiako izao rehetra izao
nefa mbola tiako ianao
miombona fanahy amiko
DOX, "Ny Hirako"
ISAKY
Isaky ny ho hitanao
Mitovitovy amin'izao
Ny volon'andro, aoka lahy
ny fonao hahatsiahy
Isaky ny ho hitanao
mitovitovy amin'izao
Ny eto an-tokotanintsika
Dia tsarovy ny androntsika
Isaky ny misy hira
henonao mamiravira
Ny fotoana niarahana,
Dia tsarovy aho iky
Dia tsarovy ny fitia,
Manonòna fivavahana...
DOX, "Folihala"
Feony : Bessa
Tonony : Dox
Mpihira : Solo
AZA ILAOZANA AHO
Aza ilaozana aho
Hadinoy ny lasa
Sy ireo fikasa
Nanorenan-tao
Hadinoy ny ora
Ny fotoana rehetra very
Nahatonga ahy ho irery
Tanatin'ny natiora
Hadinoy ny androany
Ny adiadintsika
Ny fo vesarantsika
Sento tsy ho lany
Aza ilaozana aho...
Fa ho atolotro anao
Patrakala maina
Tany Androy tany
Tanaty karankaina
Fa any am-bovoka any
No hieren'ny nofoko
Ny vatanao hilofika
Mamiko ho boboka
Hanamboarantsika tany
Hanjakan'ny fitiavana
Ho firiariavana
Handosiran'ny tomany
Aza ilaozana aho...
Hoforoniko ho anao
teny tsy voalaza
teny tsy hita am-bava
ho atolotro anao
Hotantaraiko anao
Rasoa sy Rambola
Beniomby sy Ravola
Tojo hakiviana
Hotantaraiko anao
Mpifankatia maro
Maty tsisy mpiaro
Voatery mifandao
Aza ilaozana aho...
Hotantaraiko anao
Ireo maty nanantena
Maty nahonena
Maty noho ianao
Fa any ankoatra any
Hanjaka ny fitiavana
Fitia hiriariavana
Toa lavitra tomany
Fa hita tao Tritriva
Sorakanjo roa
Ny alina nadiva
Nitsoka tao am-po
Aza ilaozana aho..
Musique : Jacques BREL
Traduction de "Ne me quitte pas" par DOX
Interprète : KELLY RAJERISON